MAHAVALALANINA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHAVALALANINA


Ry Tompo be fitia ô!
Miangavy an-tànan-droa mba jereo izahay etÿ.
Omeo anay raha mety izay anjara masoandro
Natokanao ho anay. Valalanina izahay...
Ketraka sy reraky ny tolona isan'andro!
Kanefa na dia izany, izahay tsy hoe manery a!
Satria Ianao mpandahatra, mpitarika mahery:
Manana ny lamina tsy takatry ny saina.
Koa aza omenao tsiny raha toa ka be taraina
Arahana tonom-bavaka: omeo, omeo, ataovy...
Zary adinonay: ny laza sy ny fona, ary koa ny saotra
Izay tokony hanombohana ny resaka aminao.

Raha resa-panompoana amin'izao tontolo izao
Izahay aloha mijoro hoe: "Firenena Kristianina"
Kanefa hoy aho mahagaga sy mahavalalanina
Izahay indray no farany fa mampahantra hono,
Ity fivavahana ity...
Ry Rainay be fitia ô!
Ny ray tokoa ve sahy mampijaly sombiniaina?
Mampiaina hirifiry manomboka maraina
Hatramin'ny andro hariva: ikimpin'ny masony?

Kanefa Tomponay , Ianao mahalala ny antony.
Izahay manaiky rambony ao anatin'ny finoana.
Ampio 'zahay fa vonona ahazaka fandrosoana.
Ampio 'zahay fa iezaka hanova ireo toe-tsaina
Lomorina, mandentika...Tsy ho olona malaina
Fa tia mikarokaroka sy ahavita hamorona asa.
Tahio 'zahay tsy hanaiky ho voafatotry ny lasa.

Tahio ireo fiangonana izay hanompoana Anao
Kanefa Ray ravao: ireo kasaina hanambakàna;
Ny natsangan'ireo olona tsy an'àsan'ny tanàna.
Ny farany ry Tompo ! Mba tahio ireo namanay
Halaky tonga saina rehefa an-tranon-dRay...
Tsy hivavaka mikimpy fa ho mailomailo foana.
Tsy hanaiky habadoana amin'
ny resa-pivavahana sy amin'ny resaka finoana!



RAVANONDRAZANA
10 JONA 2022 19:00
--------
Rohy:
Sokajy : fivavahana - fiainana - Vetso - Vavaka
333 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 11/06/2022 06:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014