MAINTY (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAINTY


Ny eto anie, Ravanona!
Rehefa mainty ialahy dia iharam-panavahana,
Mivoatra sy manaraka ny vanin'andro iainana.
Fa simba ny fisainana, madiva ny holomorina
Ny fitsaràna ivelany fanaon'ny fiaraha-monina.

Rehefa mainty ialahy dia voasokajy ho fositra,
Sarangan'olon-dratsy, meloina ho mpamotika.
Tsy mba hatokisana fa faingafaingan-tànana,
Mpisetrasetra fiainana, taranaka tsy manana.

Rehefa mainty ialahy, na dia mandrotsirotsy !
Tsy mba ho toa teny, fa voabanty sy voahosy.
Na dia mahavita zavatra, miavaka sy lafatra:
Tsy dia mankaiza loatra, mihoatra ireo fotsy.

Rehefa mainty ialahy dia oharina amin'ny biby.
Nanomboka fahiny no nanimba saina ankizy
Ireo anaram-bositra nomena hiambozonana.
Rehefa mainty izany mbola anaty fitolomana.

Rehefa mainty ialahy dia hafangaron'ny olona.
Lazaina hoe mitovy vao mahita mainty sasany.
Mahatsikaiky marina f'angamba na ny vorona,
Mahay manava-tompo noho ireo vahiny tapany.

Ny eto koa, Ravanona!
Rehefa hoe mahantra dia maivamaivan-danja,
Anaty fiaraha-monina. Ny etsetra izay voalaza
Hevero ho tsy marina fa "fahadisoan-kevitra",
Kanefa anie mba saino fa mahalasa eritreritra.


RAVANONDRAZANA
27 AVRILY 2021
--------
Rohy:
508 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 01/05/2021 09:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146