MALALA A! - Ravanondrazana
Azo vakiana?
MALALA A!
Mba etsy kely ange...
Matetika ianao mantsy, manontany foana hoe:
"Inona mihitsy ary no, mahatonga anao tia ahy?
dia satria nahoana...?"
Ho valiako androany raha izay no mampiahiahy
Ampio ry fanahy mba, hamantatra ny am-poko
izay zava-misy marina, sy ireo tianao fantarina.
Ka aleo tonga dia tsoriko, fa tiako ianao satria,
ianao ilay hany tokana, nahatazona ny tanako.
Raha saika hivarilavo andranom-piainana maria,
dia tsy nekenao mihitsy, fa nahitsinao ny lalako,
tampotampoka iny dia, izay lalanao no alehako
izay tianao no tiako...
Kisendrasendra angamba, hoy isika samy gaga.
Ianao ilay nofinidy, irery tiako ianao satria,
voababonao daholo: fo sy saina amam-panahy.
Teo koa no nahatsapako, hay mahery ny fitia,
zary eny mampilefitra, ny ambompon-dehilahy.
Ny toetranao sariaka, sy tsotra, vonton'anatra;
Ny endrikao koa kanto e! ny bika tonga lafatra.
K'aoka averiko ihany,
fa tena tiako ianao, mihoatra izao tontolo izao.
18 Aogositra 2020
RAVANONDRAZANA
Mombamomba
Mpanoratra : Ravanondrazana

Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 28/03/2021
Mpamangy : 401
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
SEKOLY POETAMISOKATRA AMINAO
MIKATONA AMINAO
KILASY FAHASIVY
ANY AMBANIKO ANY
ANDRO FAHAFITO
HITIA ANAO TOKOA
SAROPIARO
FANAONAREO MPANORATRA
IARISOA