MANANTENA (Ravanondrazana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANANTENARaha mbola tsy ritra ny ranon'i Alaotra;
Raha masina fomba sy sompitra-vary;
Alaotra mangoro tsy maintsy mivoatra.
Raha mbola milatsaka ihany ny orana;
Raha misy tso-drivotra omen-janahary;
Tsy ho ripak'izany ny rasy olombelona.
Raha mbola hoe misy ny andro sy alina;
Raha misy fihodinana afaka handamina;
Tsy maintsy mba hisy maraina vaovao.
Raha efa mipetraka izay vao mandady;
Raha efa mandady vao miana-mandeha;
Tsy maintsy lalovana ny ambaratonga.
Raha tia sy ny tiana: mikasa hiara-dia;
Raha tonga tomany, nateraky ny onja;
Tsy maintsy misy ihany ny todim-pitia.
Raha mbola hoe misy ny zaza hateraka;
Raha vonona hanitsy ny fiaraha-monina;
Tsy maintsy mijoro, ny tia tanindrazana.
Raha misy eto an-tany ny tena fitiavana;
Raha mbola ho nofo ny fon'olombelona;
Tsy ho foana tsy akory ny fanantenana.
Na mafy ny sedra sy fiainana an-tany;
Ny areti-mandringana mandrak'androany.
Raha misy ny ankoatra ho làlan-kombana;
Tsy ho foana tsy akory ny fanantenana.
RAVANONDRAZANA
04 AVRILY 2021
--------
Rohy: