METEZA - Ravanondrazana
Azo vakiana?
METEZA
Meteza ianao, sakaiza...
Ho mpananatra ny tiana.
Hampianatra sy hitaiza
Ho manam-pahasahiana,
Na oviana, n'aiza n'aiza...
Sahy misedra fahoriana.
Mba ho modely tsaran'ny taranaka any aoriana.
Meteza ianao ho andry!
Mijoro ho fianteherana:
Matanjaka ara-tsandry,
Maharanitra fiheverana.
Tsy hionona, tsy hiandry
Ny anjara mba hiserana.
Tsy mila hoe maraina vao hitraka an-katezerana.
Meteza ianao, hitarika...
Amin'ny làlana mahitsy.
Fa maro ireo misarika,
Ny tiana amin'ny tsy izy;
(Mamelatra ny fandrika
Ho an-janakao mihitsy).
Meteza ho ray mahery, tsy mba mety ho kivikivy.
RAVANONDRAZANA
08 Septambra 2021
Sokajy :
Fampaherezana, Hafatra
Mombamomba
Mpanoratra : Ravanondrazana

Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 08/09/2021
Mpamangy : 224
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ANY AMBANIKO ANYANDRO FAHAFITO
HITIA ANAO TOKOA
SAROPIARO
FANAONAREO MPANORATRA
IARISOA
SITRAKA
EFA NOLAZAIKO ANAO
MAHAVALALANINA
HAFA HOY AHO IANAO