MIKATONA AMINAO - Ravanondrazana
Azo vakiana?
MIKATONA AMINAO
Mitovy sy sahala amin'ny olona adala aho
Raha miverin-dàlana mandray ny tànanao
mitsotra te hamerina ny fiarahana taloha.
Mantsy ny ahy foko mba nalaky nanadino...
Tinefinao ho vato ka nahazaka rimorimo;
Nahazaka hirifiry tamin'ny ratra tonga olatra.
Inty aho fa mijoro na dia nisy anao nisompatra
Sy niezaka namotika ny fiaina-manontoloko.
Iny lasantsika iny mihitsy aloha raha tsoriko:
Dia lohateny iray, misy fizaràna telo.
Tantara in-dray mipika... Miainga paradisa,
Mandalo disadisa ka mifarana amin'ny elo.
Isika raha nisaraka dia samy tompon'antoka.
Niara-nifamela... Ifanohana amin'ny sarotra,
Saingy ny hifamerina dia sanatria tokoa.
Raha saininao izany...
Mihitsy vita hatr'eo ny fifandraisantsika roa.
Ny hanakatra ny tanjoko
No tena imasoako amin'ny fiainako eto izao.
Maro ny anatra azoko, fony teo an-tànanao.
Indro, ankehitriny, niova mafy koa ny saiko :
Masiaka ka mibaiko
ny momba ahy rehetra mba hikatona aminao.
RAVANONDRAZANA
30 JOLAY 2022
Mombamomba
Mpanoratra : Ravanondrazana

Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 31/07/2022
Mpamangy : 47
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SEKOLY POETAMISOKATRA AMINAO
KILASY FAHASIVY
ANY AMBANIKO ANY
ANDRO FAHAFITO
HITIA ANAO TOKOA
SAROPIARO
FANAONAREO MPANORATRA
IARISOA
SITRAKA