You are here: home > Vetso

MPAMAHA NY FATORAKO - Ravanondrazana

Azo vakiana?

MPAMAHA NY FATORAKO


Ry dada malala, sakaizan'ny foko a!
Misaotra nitaiza an'ity jiolamboto...
Nivily any ankady, nidiran'angano aho
vao tonga saina ny hody ato an-trano.

Nanarin'ny fiainana mantsy aho ry dada,
satria tsy nihaino irony anatra am-bava
nasesikao tamiko hatramin'ny fahakely.
Tantano aho ry dada, fa mbola malemy.

Tantano inty zanaka maditra indrindra,
Tantano fa zaza vao miana-mamindra
Kanefa manaiky aho fa diso tanteraka.
Nanao tsinontsinona anao ray niteraka.
Ao moa ry dada mba raiso ny fonako a!
Avy ato am-poko ka aleo iankohofako,
Ry dada malala mpamaha ny fatorako.


RAVANONDRAZANA
17 JANOARY 2022