NAHOANA - Ravanondrazana
Azo vakiana?
NAHOANA
Nahoana loatra zoky...
No maty mihitsy i neny vao navelanao hiadana?
Maratranao ombieny tamin'ny teny, totohondry!
Manoatra toy ny fasana ny tato an-tranontsika.
Nampiainana ny mafy tamin'ny ditra sy ny sisa;
Nanaovanao ny zavatra, nanimba ny ara-tsainy,
Nandratra ny aty fony, koa nanempoka ny ainy...
Maika niampy trotraka, ny ratrany amin'i dada.
Ray tsy nihambahamba, ny nandao ity akaniny;
Namela antsika zanany. Fa i neny teo hatrany,
Satria ny momba izany dia mbola tena zakany.
Kanefa dia tsy tantiny, raha ianao ilay maminy;
Sisa handrandrainy, sahy manempoka ny ainy...
Nitsetra ny ao ambony, raha nahita ity lanjainy!
Dia indro fa nantsoiny, mba hiaina fitsaharana.
Atao ahoana moa fa dia manaiky fandaharana,
No mino sy mahatoky ny fisiana ankoatr'izao...
Kanefa ianao ry zoky no nampisy fisarahana a!
Maty mihitsy i neny vao nahatonga saina anao.
RAVANONDRAZANA
19 Mai 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Ravanondrazana

Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 25/05/2021
Mpamangy : 434
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SEKOLY POETAMISOKATRA AMINAO
MIKATONA AMINAO
KILASY FAHASIVY
ANY AMBANIKO ANY
ANDRO FAHAFITO
HITIA ANAO TOKOA
SAROPIARO
FANAONAREO MPANORATRA
IARISOA