NOHO IZY (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOHO IZY

Matoa aho mijoro sy velona eto ihany !
Matoa koa misoko ny embon-tsy lany
Dia noho i dada any lavitra any...
Matoa aho mikalo dia fetiny androany.

Matoa aho salama... I dada mpitsabo !
Manasitrana foana raha misy mahazo;
Manefy anay zanany hiafy sy hitolona.
Matoa aho tafita dia i dada no sorona.

Matoa aho tahaka ny zanaky ny olona !
Matoa aho nomena safidy ny hianatra
Handany ny harena 'zay efa nanasatra
Dia noho i dada tsy mahatsapa valaka
Na inona hamafin'ny zava-midona...
Iaretany eo foana na mafy io na mora !
I Dada manampy an'i neny mitaiza
No sady miremby hatraiza sy hatraiza.

I Dada noho izany ilay tsy hita matetika.

Fa teo ny anatranatra izay nabosesika;
Noho ny fihezahany mandona ny loha;
Noho ny atsembohany manindrona fo.
Ireo no miraikitra am-po lalan-dava
Matoa aho mikiry, te hioatra an'i dada !


RAVANONDRAZANA
31 MEY 2022 8:04 AM
--------
Rohy:
373 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : ravanondrazana
Daty : 07/06/2022 17:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103