You are here: home > Vetso

OMEO - Ravanondrazana

Azo vakiana?

OMEO


Omeo mba hofihiniko, ity vatanao malala!
Ny loha aleo hitràka dia akimpio ny maso.
Ianao io mody fanina, kanefa haiko tsara!
Ny zavatra tadiavin'ny raozy saika halazo
Tao anatin'ny alahelo -nahazo anao tatoato-.
Soa ihany anefa ianao mba tena hoe nitia!
Olombelona maditra, matetika mania aho.
Ary moa impiry impiry no nifona, nitalaho?

Fa eto aho malahelo, mangata-pahamelàna;
Ataoko vita hatr'eo ireo ditra sy hadalàna.
Ny toetra ratsy kosa? Miezaka aho ny hiala!
Apetrako ho fanamby ny hanan-toetra tsara
Hampirindra tokantrano hiadananao malala...



RAVANONDRAZANA
04 AVRILY 2022

Sokajy : Fitiavana