OROKA VOALOHANY (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OROKA VOALOHANY

Maniditsidina tsy haiko hoe nahoana?
Toa mitsingevana hatrany ny tenako.
Izay mba tsapaina dia rivotra: foana!
Mahagonina saina, ny feo mba reako.

Mampangorintsina mafy ny hatsiaka.
Miakatra tampoka koa ny hafanàna;
Manara-pigadon'ny onja masiaka...
Manala hetaheta ny tsy ampy filàna.

Manaitra, mamoha ny mbola matory,
No sady mamboly ilay voa ato anaty.
Mahatonga fitsiry haharitra hamony,
Mampisy fitiavana mandra-pahafaty.

Sahalan'ny miaina tontolo hafahafa.
Manadina ihany: 'ndrao efa fanahy?
Sa mbola mikimpy mamafa ny lasa?
Sa misy eritreritra mety hampanahy?

Fa mamiko loatra ny tsapako izany;
Foana tanteraka izay ao an-dohako.
Ny azo lazaina: tsy ambonin'ny tany,
Moa ve ankoatra ity làlan-kizorako?

Fa tampoka teo dia nisokatra mora
ny maso ka indro ilay silam-panahy:
"Vehivavy voalohany niraisako rora"
Nanaiky am-pitiavana hanoroka ahy.


RAVANONDRAZANA
12 AVRILY 2021, 10:30 AM
--------
Rohy:
630 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 13/04/2021 10:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139