POETA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POETA

Indro,
Fa hitan’ny mpahary !
Fa tsara ery ny tany.
Kanto zava-boahary
Sy zava-manan’aina,
Nefa ny olombelona
Tsy manana lazaina
Ny amin’ny hatsaran’
Ireo asa nisasarany…
Izay mba asa-tanany,
Natolony hanjakana,
Hiaina an-kalalahana.

F’injay ny zanahary !
Mahita an-karihary
Ny sasany hafahafa.
Tinendriny sy ekeny
Dia indro fa nomeny
Maso iray fahatelo…
Hahita zava-mihafina;
Ny dindo sy ny avelo;
Ny hatsaran’ny tany.
Hilaza sy hamboraka;
Hitahiry an-tsoratra
Ny fiainana ef'omaly.
Miampy ny androany
Dia mbola haminany
Ny misy ananon'any.


Fa hitan’ny mpahary
Ny jalin’olombelona.
Mangotsoka marary
Ireo sedra mifanesy.
Hita mihadomelona
Ny saina efa ketraka,
Dia tsy mahatakatra
Ny lamina mipetraka,
Sy làlana voalahatra.
Dia mbola izy ihany!
Misivana ny toetran’
Izay mangetaheta…
Ho irany eto an-tany,
Antsoina hoe poeta!


Dia hitan’ny poeta!
Fa resy sady reraka,
Mijaly sy voageja ,
Marary fo tanteraka
Ny olona. Tomany
Ny sedra koa indrisy
Ny hafa mampijaly,
Misetrasetra mihitsy.
Misy mpanambaka!
Dia indro ny poeta…
Tsy mikombom-bava.
Manao ireo etsetra,
Hamalifaly hatrany.
Ny rakitrin’ny elany
Nadika sy navelany
Mba tena ho fanilo
Hanazava ny hoavy.
Ka tsy hanitsa-tsilo
Na dia mafy ny ady.
Dia mbola ny poeta
No efa mampahery,
Manefy izany toetra
Ho tonga mora fery.
Mahagaga ny asany!
Mihoatra mahaolona
Ny tena hoe poeta.
Nahary sy namorona
Ny zavatra rehetra…

RAVANONDRAZANA
16 AVRILY 2021
--------
Rohy:
431 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 20/04/2021 15:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128