RAHA TENA TIA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TENA TIA


Mitia ianao satria: te hiaina paradisa?
Dia aza mitanisa ny lasany iny akory.
Aza mitotaly ny mety ho fahadisoany,
Rehefa mifamaly fa tojo ny ady kely...
Mahaiza manadino an'ireny vita ireny.


Rehefa hitia ianao: ny ao aloha jerena!
F'aza manantena hikendry tombotsoa;
Aza tia mametraka fepetra ihany koa;
Aza mba milaza ny "tsy hitia raha toa...
Tsy hitia raha tsy...
Tsy hitia ny olona... toy izao sy izao..."

Raha tena tia ianao: mitiava tsotr'izao!
Mitia tsy mahalala ny lanjan'ny hareny.
Minia tsy mijery: fananan-dray sy reny,
Ny andro voalohany nitsirim-pitiavana.
Raha tena tia izany: mila be finiavana!

Raha tena tia ianao: mila maka fafiny!
Na inona hamafin'ny fianana sarotiny,
Fanefitra ny tiana fa ody ny hangotiny.
Mila ianao milefitra na inona toetrany;
Mila mahalala ny fisainana rehetrany...
Mahay manetritena hifanaraka aminy;
Mba hikolokolo ny mamin'ny akaniny!



RAVANONDRAZANA
25 AOGOSITRA 2021
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
464 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 08/09/2021 14:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106