Ry fiainana! Ry Andriaman (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry fiainana! Ry Andriamanitra!


Ianao,mampisandratra ny olona avo

Kanefa manitsaka ny efa mba lavo...



Indrisy, fitia tsy mety mandrobona

Na dia voahaloky ny andro manjombona



Ianao, mampiadana izay resin-tory...

Kanefa ny handriany tontolo mahahory,



Mody manohana ny efa mba kinga,

Nefa mamingana ny efa mandringa.



Ianao, mampitsiky ny mirana hatrany

No mbola mitrerona ny efa tomany...



Nahoana mitapoka ny efa majora?

Kanefa ny sasany mangidy rora.



Ianao, manatanjaka anatin'ny ady,

Kanefa mitaingina ny efa mandady.



Ianao, mampiadana ireo efa maty...

Raha dila, ka feno, ny fasany anaty


RAVANONDRAZANA
17 febroary 2020
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
463 1
Mpakafy: ravanondrazana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : ravanondrazana
Daty : 29/04/2020 06:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141