SEKOLY POETA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SEKOLY POETA

Ny eto raha tia, dia mody mangina !
Fa mahalala tsara ny vokatr'izany...
Manam-pitiavana ombam-panirina
Kanefa milefitra fotsiny eny ihany.

Ny eto raha tia, dia mahatsindry fo !
Olona tony sy manam-paharetana.
Manome lanja ny fiasan'ny loha;
Mahay mamorona fankaherezana.

Ny eto raha tia, dia mahay mikalo !
Mihira ny voary hita maso rehetra.
Mahay maminany ny zavatra handalo;
Mahita ny miafina tsy ho voafetra.

Ny eto raha tia, dia mianatra mafy !
Tsy hanaiky ny vetso hofehezin'ny tiana.
Ny aingam-panahy eto fady mihafy
Kanefa tsy ho henatra any aoriana.

Ny eto raha tia, dia mangetaheta !
Hanoratra mafy eny ambony fandrina.
Ny eto sekoly manova ho poeta
Ny mpianatra efa mba nitia mangina.


RAVANONDRAZANA
01 AOGOSITRA 2022 14:14
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 02/08/2022 16:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151