You are here: home > Vetso

SIDINA - Ravanondrazana

Azo vakiana?

SIDINA


Manidina ambony ny domoina vavy
fa manana elatra, hampiakatra azy!
Miery any lavitra, tsy hitako intsony,
misoka ny volana izay mpampitony.

Ny lisy nilaozany, indrisy, ry vorona!
Mamorivory ny fitiavana ho sorona,
anatin'ny hatsara, mba enti-midola.
Tambazana anefa dia midina mora.

Somambisamby, ny andro maraina!
Toa mamanala, mahalasa ny saina,
ny tontolo misy. Ka dia mampimalo
ny fo sy fanahiko, izay mora mivalo.

Midonaka mora, ny embom-panahy
misoko, manonja, manempotra ahy.
Ny tsiahy sy ny lasa ekena tsy maty,
Vao ora-midona, dia toy ny ambiaty.

Sambatra ihany ny kintana ambony,
Takarin-jatovo, mbola entin'ny fony.
Mba sambatra koa e r'ilay paradisa,
Nofisin'ny mponina, isa an-tapitrisa.


RAVANONDRAZANA
7 OKTOBRA 2021

Mombamomba

Mpanoratra : Ravanondrazana


Nampiditra : RAVANONDRAZANA
Daty : 08/10/2021
Mpamangy : 104
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TENY ROA
TENA TIA
EKENA
HO DORIA
ANDRO VOALOHANY
ANDRO FARANY
HAFATRA
METEZA
MENATRA AHO
RAHA TENA TIA