TENY ROA - Ravanondrazana
Azo vakiana?
TENY ROA
Pitiny monja no andrasako sisa!
Sombiny kely fa tsy an-tapitrisa
akory no tiako, sambarana anio
Fotsiny io tsiky eo imolotrao io!
No zary abidian'ny foko kanosa
Tsiry mampisy: fitiava-miavosa
Vatsin'ny saina sy vatsi-panahy
Lasa mpitsabo ny foko manahy
Mihitsy raha iny... fitsikinao iny!
Tsapako tsara fa ny ankehitriny
Sy izay ho avy mby lasanao any.
Ka etsy safoiko ry havako izany
Mahafatifaty ny masonao tiako
Moa fanafodin'ny vata-maliako?
Izato fijery, mahataitra ambiroa
Fantatrao tsara: ny alika, kisoa,
Ny zaza, tanora ireo antitra koa
Samy mba tara aminao avokoa
Kanefa tsoriko, izaho efa isany!
N'aza aho olona tsy misy dikany fa
Teny roa monja no andrasako sisa
Dia hiaraka hanorina ilay paradisa!
RAVANONDRAZANA
29 OKTOBRA 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Ravanondrazana

Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 30/10/2021
Mpamangy : 322
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ANY AMBANIKO ANYANDRO FAHAFITO
HITIA ANAO TOKOA
SAROPIARO
FANAONAREO MPANORATRA
IARISOA
SITRAKA
EFA NOLAZAIKO ANAO
MAHAVALALANINA
HAFA HOY AHO IANAO