TSAPAKO (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAPAKO


Fotoana vitsy monja...
Dia tapitra voavakiko
Ireo asa soratrao:
Milaza ny ao anatiko!

Tsapako f'ianao, no
Poetan'ny taon-jato...
Manoratra tsy miato,
Ao anaty sora-kanto
Mirindra dia mirindra.

Sahy milaza indrindra
Ny zava-misy marina,
Miafina ao ambadiky
Ny sarotra takarina...

Takatrao daholo ny
Hevitra ao an-dohako;
Naborakao ny lasa,
Izay efa nandalovako.

Raha izaho manokana,
Tsy manan-teny firy
Amin'ny resaka fitia.
Fa fotsiny mba tiako
Raha isika miara-dia:
Vonon-kifanohana
Amin'ny lafiny rehetra.
Ianao rahateo poeta,
Sady manan-toetra
Iriko ho andefi-mandry
Ao anaty tokantrano.

Fotoana vitsy monja...
Injay manganohano,
Ny masoko mamaky
Ny soratrao, an-tsaina;
Mitory fahabangàna
Sy hetahetan'ny aina.
Mitovy tsisy valaka
Amin'izay voasoratro.

Kisendrasendra sa...
Noraisinao ny hafatro?
Iza mihitsy ianao no
Miafina tsy fantatro,
Anatin'ny haisoratra
Mivoatra sy avo lenta?
Moa ve mpaminany
Rehefa hoe: poeta?

Resaka ihany ny ahy...
Raha ny tena marina,
Izaho tsy mbola sahy
Mitia na koa tiavina!
Ekena, tonga lafatra
Ny rafitr'ireo hafatra.
Nalefanao matetika,
Fa maro ireo tanora
No lalina fitetika...
Ka tsoriko fa mbola
Tsy mety babonao,
Ny foko hatramin'izao.


RAVANONDRAZANA
20 AOGOSITRA 2021
--------
Rohy:
478 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 21/08/2021 18:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114