TSINGERIN-TAONA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSINGERIN-TAONA

Arabaina zandry a !
Fa mbola nahatratra ny daty nahaterahana.
Anio no mitsingerina ‘lay nilatsahan-tavony.
Ny roa sy roa arivo no indro ianao nirahana,
Ho tonga voninkazo manimanitra mamony.

Mafy ny eto zandry fa mila ianao mitolona,
Mila ianao mitraka, mamakivaky ny olana !
Ny fahantrana kosa ? Niezahanay ho rava.
Niadivanay sy i neny, indrindra moa i dada;
Nikiry niasa fatratra mba hianaran-janany.
Izay mba hasasarany tsy mba misy varany,
Raha tsy ho anao ihany !
Tafita ianao no fantany !
Kanefa moa indrisy… misompatra ny tany.

Mahereza zandry a !
Raha mbola eto zoky dia vonona ho andry,
Iankinanao hatrany ka misafidy ho sorona.
Naleoko mihitsy niala tsy nianatra intsony,
Hanampiko anao sy hanohizana ny tolona
Izay nataon’ny dada ny mbola fahavelony.

Tafita ianao no fantatro !
Efa izao no fiainako fa ny hoavinao jerena.
Ka etsy mandehana fa efa tsy ho takatro...
Aza ianao mijanona f’i zoky tsy maninona,
Saingy manantena hoe izao no fanefena
Ny tanjakin’ny saina, mialohan’ny harena.
Mety ianao tomany mihevi-tena ho resy,
Fa ketraky ny fiainana sy sedra mifanesy.
Aza mieritreritra ny handova fahantrana,
Fa fotsiny io no làlana lalovana, ombana.


RAVANONDRAZANA
20 AVRILY 2021
--------
Rohy:
933 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 20/04/2021 16:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146