You are here: home > Vetso

INJANY... - Joda Razakasoa

Azo vakiana?

INJANY...

Injany mipololoitra moramora
any anatiko any,
ny tsiaro indray ny fahiny.
Ireo tontolo feno angola
manjary voaravaka tomany,
nohon'ny zava-misy ankehitriny!

oh! ny ririnina mamirifiry
no mampangitaka ny any anatiko
sy mampangina ny voahary,
impiry? impiry voatahiry?
tanatin'ny diarin'ny taniko
ny hoe gasikara tsy mijaly!

fa ambetin-dresaka mazàna
ny hoe tany an-dalam-pandrosoana
izato gasikara iainanao,
fa tany tsy tan-dàlana
ka mahatonga fahamamoana!
ny fahantrana toy izao,

~JODA RAZAKASOA~

Hametraka hevitra

Midira aloha