JAMBA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JAMBA…!
Jambanao ny foko, ry voninkazo tsy fahita,
fa ‘lay izy saika hiato, hijanon-tsy hitepo,
toa vao nahita anao, dia nanomboka nisento.

Jambanao ny foko, ry voninkazo tsy fahita,
k’injao ny saina no hany sisa, avela hamisavisa,
‘reo ràtram-po nidona, ‘zay toa tsy ho voatanisa.

Ny fahitako anao, no nanamafy ity finoako,
fa tsy ho ela dia hoavy, hanazava ny androm-piainako,
‘lay masoandro mibaliaka, hany afaka hitarainako.

Eh! Jambanao ‘ty foko, ry voninkazo tsy fahita.
RRAG
Ny taona 2008
--------
Rohy:
254 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0245