LASA IZY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA IZY…
Taona roa no indro vitany,
fa izy lavo amoron-dalana!
Ny iray avy aza tsy voadingany,
nianjera tan-tsampanan-dalana;

‘Lay Antsakely zandrinay!
Lasa tsy niera,
tsy niteny akory.
Nandao ilay fiadanana,
‘zay mbola resi-tory.
Vonton-dranomaso,
nizaka izay natsatso.
Nihinana ny ngidiny,
nilaozanao tsy fidiny,
an-tsedra mahamay!

Nafoinay tan-dranomaso,
‘lay Antsa mpampitony.
Nandao anay tanaty ankaso,
nanao veloma tsy ho eto intsony!

Nandika varavaran-kazo,
namonjy varavaram-bato.
Toy ny felam-bony iray nalazo,
ny fony koa no efa niato!

Efa nalavon’ilay seza,
ilay hany fifikirany.
Efa rendriky ny sedra,
ny habakaba-pisidinany.

Taona roa no injay voalahatra,
niainan’i Antsa teto an-tany!
Andro vitsy no niarahana,
dia nivadika ho tomany;

F’efa lavon’ny adim-piainana,
sy ‘lay sedra tsy azo ialàna!
Voakapokapo-pitarainana,
nazera an-davaka malama;

‘Lay Antsakelinay,
‘zay zaza dia efa lavo!
Tsy nahavita akory,
nananika ny avo,
‘zay handrian’ny fony,
ho fanantenany rahatrizay!
RRAG
01 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
312 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202