MANDEFONA IVOHO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDEFONA IVOHO…
Ay moa ka namana ihany ‘ty hoe,
nangalatra naka ny vadin’ise?
Nama-mahatoky nandefona ivoho,
nanindrona mafy ny atin’ny fo!
Sakaiza manody tsy menatra akory,
toa tsara fanahy mampieson-tory.

Ay moa ka zaza niara-notazaina,
ity nandrombaka ilay silak’aina?
Tsy mataho-tody kanefa mba hoe,
namana akaiky sakaizan’ise!
Nanitsaka toky namadika dina,
tsy menatra naka an’ity olon-tiana.

Mandefona ivoho mpamosavy malemy,
manarona toetra amin’ny fomba fiteny,
manova fihetsika sy endrika koa,
nefa toa mainty ny atin’ny loha.
Mpitora-bilao sy toa tsy menatra intsony,
misintona ankeriny ny atin’ny fony.

Ay moa ka namana ihany ‘ty hoe,
lasa fahavalo ankahalain’ise?
Andry nianteherana nivadi-belirano,
nitondra tsy niahotra izato angano,
namingana mihitsy toa tena niniana,
fa maika ny haka ity olon-tiana!

Mandefona ivoho tsy azo itokiana,
nama-mpamadika naka ny tiana,
manindrona mafy amin’ny tsatoka lefona,
namana nahatoky ninia nampiesona,
tsy azo antenaina fa trambo an-trano,
tsy menatra akory mampiditra angano!
RRAG
03 Septambra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo
714 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217