NY FASAN’I DADA NO AKANIN’I NENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FASAN’I DADA NO AKANIN’I NENY…
Midoboka amponga, mandomando tava, ny lanitra ambony.
Hika mihoga, toy ny ranomason-jaza, arahim-po tsy tony.
No mameno ny ala, no manarona tontolo, arahin-javona matevina.
Ny fasan’i Dada, no akanin’i Neny, any izy ireo, no milevina.

Misioka fisaonana, ny voro-manidina, mandrakotra lanitra.
Fa ny ambohipihaonana, ‘zay mba hirina, dia ny any an-danitra.
Saingy tsy fantatra, tsy ho takatry ny saina, izay ambadika any.
Ny fasan’i Dada, ‘zay akanin’i Neny, no hany hita eto an-tany.
RRAG
15 Jolay 2014
--------
Rohy:
324 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.081