NY FIFALIAKO INDRINDRA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FIFALIAKO INDRINDRA!
Ny fifaliako indrindra,
dia ‘lay miaraka aminao,
ny eo anilanao.
Tsy tiako hafindra,
amin’olon-kafa,
izay ankoatra anao!

Ny hasambaram-poko,
mamelombelona ahy,
dia ny fisianao.
Ilavitra toloko,
ilavitra ahiahy,
ny foko akaikinao!

Ny fifaliako indrindra,
tiako mba zaraina,
dia ny nitia anao.
Fitia tsy azo hafindra,
fa tsara zaridaina,
ao am-poko ao!

Ka ny fifaliako indrindra,
tsy ny hoe: “Eo anilanao”.
Fa raha azoko harindra,
dia ‘lay mba ho tianao!
RRAG
Alakamisy 26 Septambra 2013
--------
Rohy:
305 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215