You are here: home > Vetso

NY FOKO… - RRAG

Azo vakiana?

NY FOKO…
Ny masoko jamba, fa ny foko mahita,
misento, ka faly mahatazana anao!
Ny kilema ananako, tsisy mpahita,
ka ny foko mitempo, vao akaikinao!

Ny masoko no jamba, fa tsy mba ny foko.
Ianao ‘lay tiako, no zary tompoko!
Ekeko hoe mainty, ny lokom-pitiavako,
saingy izay ataonao, dia hiafiako rahavako!

Ny ranomasoko tsisy, fa toa zary maina.
Ny fery anatiko, manindrona aina!
Tsy haiko hoe iza, no afaka hitarainako?
Dia aleoko miafy, hampitony ny fisainako.

Ny fery ao anatiko, mihitatra hatrany.
Ny ranomasoko, tsisy fa lany.
Aleoko mangina, tsy hiombon’ny ràtra.
Ny zoga lanjaiko, toa fery mahazatra.

Ny masoko jamba, ny foko mahita.
Mitsapa mangina, ny endrikao sariaka!
Endrika maneho, fitia lalim-paka.
Mientana am-poko, ka maka laka!
RRAG
30 Janoary 2010



Hametraka hevitra

Midira aloha