You are here: home > Vetso

RAHA RAOZY TOA ANAO...! - RRAG

Azo vakiana?

RAHA RAOZY TOA ANAO...!
Maro ireo voary, miavaka sy tokana,
fa ny foko kosa, mitempo anao manokana.
Mihanoka fitia, hafa koa raha hafa!
Hafa ianao raha raozy, ny tsilonao aza, toa tsy mandràtra.

Izato fela-manitra, mieza-mandroboka.
Ny voninao tavela, hita midoroboka.
Mitàna ny hatsarana, miavaka sy tokana.
Ny foko raha mitempo, dia ho anao manokana!

Satria ianao ry raozy, mahay maneho fitia.
Manome ny tsara, tsy hahasampon-dia.
Manolotra hatrany singa, miendrik'aina mifamatotra.
Ny fitia avy aminao, tsy sangy fa efa matotra!

Ka raha raozy toa anao, adala izay tsy tia.
Vao mahita mihitsy angamba, dia raiki-pitia.
Fa ny ao am-po mitoetra, fahatsorana ohatr'izany.
Sambatra ry raozy, izay sendra anao, anjaranao an-tany!
RRAG
29 Aprily 2012

Hametraka hevitra

Midira aloha