RERAKA NY FO... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RERAKA NY FO...
Ialao tsiny aminy, fa reraky ny tolona,
leo ny monomonona, sy ny esoeson'olona,
ny fony diso tia, nolavinao fitiavana.
Veloma hono hoe fa, tsy afaka ny hihavana!

Fa aleony koa asitrika, tsy ho tinazanao,
ny fony resin'ny ady, mba leo ny nitalaho.
Ka niondrika nijery, ny tany dia nandona!
Aza omena tsiny raha, tsy nanao veloma!

Zakainy hono hoe, ny feriny sy ràtrany,
tanany ny sento, mihiboka eny an-tratrany.
Tsy hitomany izy, ka hikiry ny handatsaka,
vongan-dranomaso, hanototra ity tatatra,
navelanao sedrainy, hanola-mandramaty.
Zakainy foana ireny, na hihombo hatrany anaty.

Iangaviana farany, ianao hamangy azy,
hanatitra ‘ty sary, zary famato-tady,
nefa dia tinapaka, tsy nahatana akory,
‘lay aingan’ny fitiavana, nandreraka ny fony!

Reraka ny fo nefa, tsy afaka ny haka aina!
Satry hofafana, ny vesa-mampitaraina,
nitondra fahatsiarovana, dimbiasin’alahelo,
oran-dranomaso, re mihelohelo!
RRAG
22 Jolay 2019
--------
Rohy:
858 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207