TSY NIHOMANA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NIHOMANA...
Ankodimiran'ny fanantenana
misy maso mikipy tsy hihiratra intsony!
Ivohon'ny endri-tsy fahalalana
ny fanararaotana no nitsiry namony!

Any am-pasa-mangina tsy misy mpandre
mitoetra tsy satry ny vata-nolavoana!
Nosetrasetraina im-be dia be
nolefonina ivoho dia injay novonoina!

Misangy mafy ny fiainam-boalahatra
misosasosa ao daholo ny tsilo maranitra!
Toa mangirifiry tsy mety mitsahatra,
ny alahelo mivoly am-po 'zay mahantra!

Indrisy! Voafetra ny aina
sy ny andro hahavelomana!
Kanefa akory! Ny saina
mbola tsy nihomana!
RRAG
15 Desambra 2021
--------
Rohy:
351 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203