VERO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VERO…!
F’angaha moa tsy nisetra daholo ‘nareo,
izay te hisetra hamolaka azy?
Namingan-tsy nihaino izay toreo,
fa toa tonga dia kapoka tsy nisy sangy.

Fa moa izao izy tsy mbola mijoro,
mbola afa-miria sy afa-miseho?
Aiza izy izao izay hoe efa toro,
ka tody amin’ny tanjonareo ianareo?

F’angaha moa tsy efa nieza-nampianjera,
ka hiseho hanarina indray anio?
Toa efa nanosy azy tsy mba niera,
ninia nandringana hamafy tadio!

Natopan’ny rivotra nitaingenam-pody,
fa mainka aza izy nijoro eny ihany,
izy anefa toa tsy niantso-tody,
ka nanozona anao hianjera avy hatrany!

Vero nangina tsy fola-nandefitra,
tsy mainanareo ny faka nitàna,
moa izy izao raha toa ka nilefitra,
dia toa mbola io ary tena tamana!

Fandeferana foana sy niandry ny rariny,
tsy ringana izy fa toa mbola any,
toetra nitsiry tsy namboarimboariny,
no vero nandrafetana ny ivon’ny akany!

F’angaha moa raha hoe nangina teny izy,
dia resinareo sy hoe babo avy hatrany?
Oviana izao izy no hitanareo kivy,
ka nandao ny sedrany tamin-tomany?
RRAG
05 Septambra 2018
--------
Rohy:
752 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0232