VONIN-DRAOZY HAFAKELY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONIN-DRAOZY HAFAKELY…
Kanto sariaka, tsy miavona izany.
Meva bikàna, toa tokana an-tany.
Malemy paika, sady tia milefitra.
Mirana hatrany, ka tsy leo mandefitra!

Sakaizan’ny lolo, sy irony tantely.
Ny mason’ny tia, tsy sasa-mijery.
Fanantenan’ny resin’ny ady.
Ilay mpiarahaba vahiny, eo am-bavahady!

Fampitoniana ny fo izay ory,
resim-pitiavana ka tsy mahita tory!
Noenti-nitsinabo ny ràtra anaty,
ka nandevenana ny lasa efa maty!

Vonin-draozy hafakely ivom-pitsikiana,
famelombelon’ny fitiavan’ny tiana.
Sakaizan’ny osa, fanosiky ny aina,
vonin-draozy tokana, hany nantenaina!
RRAG
28 Septambra 2019
--------
Rohy:
298 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207