TIAKO IANAO (SANDRATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa nofinofy ny fianako ankehitriny
nofy avokoa ireny fahiny
satria raha izay vita izay
dia tsy mampino hoe mbola ho tafaray
hany ka raha vao mahatsiaro
dia mandeha ho azy ny tononkalo
ka ny lasantsika roa
no tena votoatin-dresaka
k'ireo rehetra izay nanjo
dia ho fahatsiarovana mipetraka

Tiako ianao,tena tiako
ka sanatria izay hoe ariako
ny anadino ihany koa tsy vitako
satria ianao no efanofidiako
nofidiko tao anatin'ny maro
ka ny fitiavako anao tsy atakalo
ary ihany koa tsy haiko hafangaro
ka noho izany ianao no tiako
tiako ary koa niriako
mba hitantana ny diako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4552 5
Hevitra mandeha
Angolaina ( 11/01/2006 12:07)
Tena maneho marina io tononkalo io fa na inona na inona rivotra mifofo eo @ fiainana, tsy mahasakana ny fitiavana izany ary vao maika aza mampitombo azy !
tena mahatsapa ny hatsaran'ny fitiavana ilay mpanoratra an !
Ingahy ( 12/01/2006 18:52)
Miseho eto ny harobidin'ny atao hoe fitiavana aza lalaovina ny fitiavana ho an'izay mpilalao azany fa afo mandoro
Misaotr'é
slem3m ( 14/01/2006 02:29)
tena mahafinaritra ilay tononkalo fa tena misy fitiavana ihany koa ny mpanoratra
loloniary ( 19/01/2006 06:47)
maharitra @ zavatra rehetra rehefa tia tena tia.
tonokalo maneho fa kanton'ny fitia rehefa avy misedra ny onjany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SANDRATRA
Nampiditra : mimi62
Daty : 11/01/2006 10:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144