AVY NY ORANA (Tahirintsoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Natosaky ny Francis CARCO tamin'ny alalan'ny IL PLEUT-ny)

"Avy ny orana: kanto loatra.Tiako ianao.
Isika roa handeha hijanona ato an-trano:
Tsisy fy ankoatra antsika amin'izao tontolo izao
amin'ito vaninandro divadiva fararano.

Avy ny orana. Ny fiara mpikaretsaka hila hifanosy.
Tsinjo avy eto mikodia ireo fiaran-dalambe
ary ireo mpanjonobotry miantso olona etsy Anosy
mikotaba sesilany...tsy ahafaha-mifandre

Kanto loatra : avy ny orana.Henoiko
ny orana mandona moramora ny fitaratra;
mitsitaika, mitete ary mitsitokotoko...
Ary ianao mitsiky amiko, ny tsiky kely halatra

Tiako ianao. Ah! Izay feon-drano izay toreo.
Fokofoko toy ny veloman'ny hisaraka.
Handao ahy ianao rehefa kelikely eo:
Ao anaty masonao, toa misy orana miraraka"

TAHIRINTSOA
(Manafosafo- 27/03/02)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
2535 4
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 15/06/2009 07:28)
Ny ahy manokana indray farany halako ilay avy orana fa lasa mitondra alahelo,mampanembona izany,mampitamberina ny tokony tsy hiverina,mampandeha lavitra amin'ny fisainana indrindra rehefa efa fo torotoro iny ! Aok'etsy an ! fa za izay an !
hery ( 15/06/2009 08:07)
Rehefa sendra ilay mijanona ao antrano dia tsy koi na avy be aza ny orana :-)
maeva74 ( 15/06/2009 10:36)
Ka raha eo anilanao izy dia fahasambarana tsy misy otr'izany , arahin' ilay dobodobok' orana ao abonin' ny tafo
endrika01 ( 21/06/2009 10:49)
lay avy orana,mandeha an-dalam-be,
tsy misy elo ! miaraka aminle olon-tinao mhhh!
nofi ( 20/07/2009 14:19)
ankimpiho anie ny maso dia hiezaho takarina ny lanitra mandrotraka ny orana eee...dia mety tonga ao anatin'ny sain'ny mpanoratra isika...
Hamarino fotsiny na lahy izy na vavy sao tsy mety ny fanidinana...
Plus loin que la nuit et le jour.....
Ampitiavana ho azy
mitsoa ( 21/06/2015 19:35)
tsaroiko tahirintsoa niantsa io tononkalo io
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152