Nampiditra : hasinina
Daty : 15/04/2009 09:08
Nijery : 3338
Tononkalo: 13 Jereo eto
Mankafy : 2 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Tahirintsoa

Izy ve ? mpanoratra sy poeta teraky ny vanim-potoana "ankehitriny". Mpikambana ao amin'ny faribolana sandratra nanomboka ny taona 1995. Anisan'ireo poeta zandriny sangany amin'izao fotoana izao. Izy no nanentana ny fandaharana "antsiva takariva" tao amin'ny radio antsiva nanomboka ny 1998. Namoaka bokikely maro koa toa ny OTY FITIA, FALADIA, TSOKA TSY MANDRY, ets... Efa nisy nanao fikarohana teny Ankatso ihany koa ny sorany tamin'ny 2007. Ny tena ankafizako ny sorany dia ilay izy misy "tsy ampoizina", "monge-mahalatsaka", "tsilalaon-teny amam-peo maro", ... kanto e ! Ankafiziny manokana Ranja Zanamihoatra, elie rajaonarison, Rabearivelo ary ireo mpanoratra indraimihira aminy toa an'i Nofy, Avelo Nidor, Mahefa, Meva, Liantsoa, Tolotra, Gazela Meva, Rija Al-Jonah, Nirivelo, Andon'ny Aina ets... Ankafiziny ihany koa ny MIANJORIA. Tia Ricky, Vahombëy, Tarika B, Enya, Epica sy izay manana "revy" hafahafa rehetra.
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/tahirintsoa
Hevitra farany
anira ( 04/12/2017 11:06)
(y)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107