You are here: home > Vetso

OROK'ANJELY - Tahirintsoa

OROK'ANJELY

Tsy safotofoton'oroka
  foretadretak'ota
     mifampifotafota
  no "veloma akia malala"
          nataony nony niala ...

fa oroky ny anjely
mihajahaja kely
(ho toy ny tsetsatsetsa tsy aritra naely)

... kanefa tena oroka...

hany ka naharitra ilay tsirona voaloboka !!!

Izy efa nanidina nikopaka eny an-danitra
f'izaho 'ty mbola doroka
sy dizidizin'oroka.

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

nofi (20/07/2009 15:00:54)

Dia ahoana hono izany nefa ny azy aza mbola oroka fotsiny ???....ianao efa ent an-danitra???
Sa izay kosa angamba no maha anjely ny anjely e!!!!

fahamarinana (31/03/2010 20:18:03)

Tsy dia mahasosotra angamba ilay dizidizin'oroka an !hihihi !Hafa kely ilay filazan'ny Tahirintsoa azy ,izay ise izay !:-)