IANTSAKO SA TSY IANTSAKO (Tahirintsoa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANTSAKO SA TSY IANTSAKO

vola vola inona ?
... ny volana banjinina !
dia aza korontanina ny filaminan-tsaiko:
hira izao no ilaiko
na tononkalo manjan'
i Zanamihoatra Ranja.

vola vola inona ?
ny foko angaha poketra ?!?
... ny tanako fihinina
dia ampahalalaiko anao ny hasambarana rehetra
kobonin'ny poeta.

Ny vola ange mandalo e !
Etsy ianao iantsako andalan-tononkalo.

TAHIRINTSOA
vaovao ben'ny haisoratra http://sandratra.populus.org/
tongava soa daholo.
--------
Rohy:
1823 5
Hevitra mandeha
kiriah ( 15/09/2012 08:16)
....NY tanako fihinina dia ampahalalaiko anao ny hasambarana rehetra kobonin ' ny poeta "... Tena ty lay nenitina NIARO Ireo poeta ndray mande ry , hahahah !!!!!, misaotra Tahiry a !
mpisotrtoaka ( 17/06/2015 14:29)
...ar rah hoe ny zavatro fihininina dia ampahalalaiko anao ny zava-bitan'io !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tahirintsoa
Nampiditra : hasinina
Daty : 12/05/2009 15:23
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152