Ho an'i (Tahirintsoa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanjary nanahirana
ny nandrindrana ny hiran'
ny foko te hanoroka ny endrikao nandalo
... nanakatra ny Teny, hanandrana hikalo
saingy avo loatra
ny Antsa te hitroatra

K'injao ery mangina
mianoka ny tiana ...
Tokoa ve mbola hamorona hihoatra ny Tanteraka
raha sendra anao fanahy tinendry sy nateraka
ho Hira efa mendrika
sy Tononkalo-endrika?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
165 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tahirintsoa
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/02/2024 09:42
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141