Anjohy ... (La haute Ville) (Tahirintsoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anjohy ...(La Haute Ville)

tanĂ na nahafantarako tantara ora fohy
tsy misy hotantaraina...

tsy sanatria malaina
hananika ny tendron'ny vohitrao ny foko,
fa izy ange ry Anjohy mba olona tsy foiko e ...

mba satriko ho zatra
handia ny tokontaniny ...
mba satriko ho tratra
alinalina ao an-tranony ...
mba satriko hanjohy
ny lalan'ny vinaniny ...
kanefa moa ry Anjohy
nanahy ny hifandratra
an-tenantenandalana
ny foko ka namoy
ilay olona malalany
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - Fitiavana
1419 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 22/04/2009 20:51)
Tena makasitraka!
fahamarinana ( 31/03/2010 20:19)
Ao tsara e!Taiko hatrany ny Aingam-panahin'ny Tahirintsoa !
fahamarinana ( 31/03/2010 20:45)
Tiako fa diso be e,mifona marina !:-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tahirintsoa
Nampiditra : hasinina
Daty : 20/04/2009 11:20
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0287