You are here: home > Vetso

Amin'ity ririnina ity - Tahirintsoa

Amin'ity ririnina ity...

Ity kininina ity
ve dia hahavita hanafana
an'ity ririnina ity ?

f'ilay nirian-kitia
nitsoaka tsy tamana
tamin'ity fandriana ity

Ny kindriandrian'ny mpanana
notsiriritin-dry
hoe tsy maintsy mbola hananana

ka miveren-ko namana
f'impiry izay ny aty
no nisalakalaka tanana ?...

sa volampenomanana
no ndeha hinian-ko fy
amin'ity ririnina ity ?!?

dia hiaina ny ananana ?!?

Sokajy : Alahelo, embona, Fitiavana

Hevitra mandeha

fahamarinana (31/03/2010 20:21:35)

hihihihi !Mifona marina fa tena nihomehy irery ,tssss,zavatra hafa mihintsy no ao an-tsaiko fa efa ela loatra no tsy nahenoko ilay "amin'ity ririnina ity'