Indroa (Tahirintsoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
kanefa koa tsarovy
na zovy ianao na zovy
na inona anjoria
na ahoana fidadasiky ny fivelaram-po:
"tsy misy afa-mitia
mihoatra ny INDROA ny olona rehetra".

Ny notiavina voalohany
dia ilay Mpandalo nisangy ny ambiroany
ninoana fa hitoetra
kinanjo tsy nijery
kinanjo dia nidify
toy ny fidaraboky ny taratra manifin'
ny volana hatory ...
tsy nahalala akory
izay vetsom-pony niery.
Nafoy mandrakizay
kanefa ho voarakitra ho olona tsy lò
fa olon-tiana iray.

Ny notiavina faharoa
dia ilay tinady ho famoizam-po
ary hikarohany
ary hikatsahany izany avokoa
ny rakitra ao an-dohany
sy sary am-panahiny
...dia hifanotofan'endrika hifanolo
ny fiaina-manontolo ...
fa mbola tsisy mira
tamin'ilay nofisiny hamaly ny hirahira
ka moa va tsy ozona
babena mandra-maty tsy hay ahozongozona
ilay nofy saika tò sy tsy maintsy hafoiny
kanefa ho voarakitra ho olona tsy lò
fa tiana fanindroany
sy olon-tiana farany.

Ary tapitra eo ny soratra tantaran'
ny olona satria :
tsy misy afa-mitia
mihoatra ny INDROA
na inona Anjoria
na ahoana fidadasiky ny fivelaram-po.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
579 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159