raha ho efa ny alina - Tahirintsoa
(setrin'ny "rehefa alina" an'i Onitra)
andro iray tanteraka
alina ho teraka ...
mitsidika sahady:
baraingo be mandreraka
ery ambavahadin'
ny ampitso manadala
tsy mbola misy lala (1)
ny jironao tsofy
ny lamba irakofy ...
tapitra ny androany.
alina tanteraka
miandry andro ho teraka.
... manofisa mamy !
-----------------------------------------------------
(1) lala = fantatra, fototenin'ny hoe "mahalala"
Hevitra mandeha
rhina (07/09/2009 06:20:00)
fahamarinana (31/03/2010 19:52:58)
Tsara e,tsy mety mihintsy raha tsy misy baraingo tokoa an!:-)
Mombamomba
Mpanoratra : Tahirintsoa

Nampiditra : hasinina
Daty : 01/09/2009
Mpamangy : 1977
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
IndroaAVY NY ORANA
IANTSAKO SA TSY IANTSAKO
OROK'ANJELY
SARIMIHETSIKA
Anjohy ... (La haute Ville)
Amin'ity ririnina ity
Tiako ianao ho namako
VELATRA
TAPAKA