You are here: home > Vetso

Tiako ianao ho namako - Tahirintsoa

Tiako ianao ho namako

Tiako ianao ho namako
na dia tsy ho ahy,
na dia tsy hotantanako
aza tsy manahy ...

Tiako ianao ho namako
na dia tsy hofihinina,
na dia tsy ho malalako
aza tsy maninona ...

Tiako ianao ho namako,
na dia tsy hitambatra
ny lalanao sy lalako:
sitrany aho mba sambatra ...

Fa tiako noho ny namako
raha ny sitra-poko ...
satriko hananganako
fitia an-tsokosoko.

Sokajy : Fitiavana, Namana

Hevitra mandeha

ARSIH (22/04/2009 07:16:07)

m'lay b é tohizo

Zozoro (22/04/2009 20:53:22)

Tena ankafiziko fa misaotra anao. Mahay ny mpanoratra

Nirilala (16/05/2009 15:28:29)

tsara be

nofi (20/07/2009 15:25:13)

Tiako ianao ho namako...
Nefa efa tena namako...
Amin'ny fo sy fanahy...
Ary...

fahamarinana (31/03/2010 20:22:34)

Tsara loatra e,tena ankafiziko !