VOAFONJA ANATY ERITRERITRA (Tara-masoandro)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia iny ianao no nino, resy lahatra aok'izany,
Fa tsy ho lasa lavitra aiza, raha mbola eto an-tany.
Nofarananao ny dia, noferanao ireo hezaka,
Ka ianao ilay nanan-kery , toa nanjary nitofezaka.

"Voageja" hoy ianao, ny fo sy saina amam-panahy,
Aleonao nefa mihonona, mibanjina ahiahy.
"Efa anjara" hoy ianao, ka lanjaina izato vesatra.
Na efa hiongotra aza ny aina,
Ianao mijanona ho ketraka.

Dia ny rotsa-dranomaso, no hany mba sakaiza.
Ireo sentosento lava, no hitarainanao ireo ratra.
Ireo kalon'ny hakiviana, no hany mba mitaiza,
Izato fonao kely, mangotraka ao an-tratra.

Irony tanjakao, toa nivadika ho rofy.
Tena mino va ianao, fa nifarana hatreo ireo vetsovetsonao,
Hoe: hisidina ambony toy ilay tao anaty nofy,
Ary hitety ny tontolo amin'ny herin'ny helatrao?

Sao'lahy mba hadalàna, izato fifehezan-tsaina amin-drojo vý maranitra?
Sao mba habibiana ihany, ireo karavasinao mamely ny eritreritra?
Nahoana koa no toa tapenan-damba ireo masonao ireo, mba tsy hibanjina ny lanitra?
Tena mino va ianao, fa ny fiainana no entitra?

Nahoana no manaiky ho voafatotry ny geja'zato eritreritrao,
Mba hino fa sarotra ny handresy irony hakanosana, ka manidy ny sainao anaty fonja tery?
Teny tsotra ny ho lazaiko, fa dia asakasakao:
Hiovitrovitra ny fonja, ho rava amin-kery,

Raha toa vonona ianao, hiady mba ho afaka,
Ary vonona ny hilanja ireo fitaovam-piadiana,
Izay hampandresy anao amin'ny fomba tena miavaka,
Tsy inona izany, f'ilay fanantenana sy ny herim-pifaliana.

Ho velominy indray, ireo faniriana lalina sy nofinofy an-tsaina,
Ka hitombo zato heny ny refin'ny helatrao mba hisidina ambony,
Sady ho tapaka hatreo ilay rojo vý maranitra, mangeja izato saina.
Ireo kalon'ny fanantenana, no hitaiza ny fonao, mba hilamina sy hitony.

Tara-masoandro
22/05/2019
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1052 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126