AINGA (Tsiky Mitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AINGA

Arafitro ho rima ny zavatra rehetra
Tsy handalo fotsiny ihany, fa soratra mitoetra
Asiana loko maro, ampiana sarin-teny
hitoetra ao an-tsaina fa tsy haniditsidina eny

Ezahana aseho ho toy ny sarimihetsika
alaina sary an-tsaina, arahina fihetsika
raha milaza fifaliana ohatra, dia hita mirana ny maso
fa raha alahelo kosa dia ho latsa-dranomaso

omena aina ny tantara, asiana feo raha azo atao
mba handona tsara ny any anatin'ny fonao
azo atao malefadefaka, na ampiakarina ny feo
arakarak'izay zavatra hita sy mitranga eo

Tsiky Mitia
--------
Rohy:
911 1
Mpakafy: tiamitsiky
Hevitra mandeha
famoha ( 07/08/2016 15:06)
Fa ianao angaha mpanoratra rômantika? Tsara be dhl ny tononkalo nosoratanao.
Mba te-hifanerasera bebe kokoa aminao aho raha azo atao. Mba manorata any @ 0343151236 na any @ rjeanbaptiste105@gmail.com(email) raha vonona ianao/ny eto koa anefa tsy ho tapahina.
misaotra mialoha!
tiamitsiky ( 08/08/2016 06:09)
rômantika angah ny fijerinao azy? efa novakiako koa ny tononkalonao fa mahafinaritra be, Tsiky Mitia ihany any @ fb raha hifanerasera, dia ao @ sombin-tantara sy tononkalo, toy izao ihany! mazotoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiky Mitia
Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 05/08/2016 05:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0663