MATOKIA NY FITIAVAKO - Tsiky Mitia
Azo vakiana?
MATOKIA NY FITIAVAKO
Matokia ny fitiavako! mbola averimberiko
Matokia ny fitiavako! mbola antitranteriko
Izany teny mamy izany no atelemo sy ivokiso
Aza manana ahiahy, ny fitiavako itokiso
Matokia ny fitiavako ry malala tena tiako
Ianao irery ihany! ianao no efa nofidiako
Matokia ny fitiavako! ka aza manana ahiahy
Matokia ny fitiavako! aza manalavitra ahy
Matokia ny fitiavako! esory hatreo ny sorisory
Matokia ny fitiavako! tsy hamadika aho akory
Matokia ny fitiavako k'aza mba misalasala
Matokia ny fitiavako! etsy orohako ry lala!
Tsiky Mitia
Sokajy :
fanantenana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Tsiky Mitia
Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 06/08/2016
Mpamangy : 1687
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MASOANDROMARAINA
ERITRERITRA
TSIKY
SENTO IRERY
ALINA
ANY IANAO
fitia
Ho anao
VOLA