ANY IANAO (Tsiky Mitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao!! (17/06/2016)

any ianao ry olon'iny, izay notiaviko mangina
ilay nodiako ankahalaina, ilay nolazaiko hoe tsy tiana
ilay nolavin'ity saiko, niezaka aho ny tsy ho babo
nefa seho ivelany ihany, fa ny ao anatiko dia lavo

any ianao ilay nitaraina sy namboraka fitia
niangavy mafy tamiko, mba hiaraka hiriaria
fa fandavana hatrany no nasetrin'ity foko
nitalaho ery ianao, velon-tsento sy toloko

any ianao tsy mahalala ny tena zava-misy marina
izay iainako ny atoandro, indrindra moa fa ny @ alina
fa tena miady mafy aho, manohitra ilay fitiavana
tena babonao tokoa fa mody adala re rahavana

any ianao, ilay mitsara fa izaho tsy tia anao
tsy mahazo sary an-tsaina izay tena ao anatiko ao
tsy tiako ho fantatrao akory izay tena misy marina
satria ny ho eo anilanao, dia tsy tiako ho angalarina

any ianao, tsy ho adinoiko, zay angamba no azo hambara
fa ny mombamomba anao dia raiketiko ho tantara
tsy tiako mihitsy ho fafàna fa ianao no hery ho ahy
mampitony izany saiko, mampisinda ahiahy

Tsiky Mitia
--------
Rohy:
1986 1
Mpakafy: tiamitsiky
Hevitra mandeha
arofanina ( 21/08/2016 09:38)
TIAKO !!! nozaraiko tao vondrona fb "ONJAONJAM-PITIA TONONKALO"
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiky Mitia
Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 05/08/2016 05:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014