ERITRERITRA - Tsiky Mitia
Azo vakiana?
ERITRERITRA!!
Eritreritra nifoha
teo am-pahitana anao
no indro indray fa namoha
ilay ventso anatiko ao
Eritreritra niserana
tato anatiko tsy nahy
no tsy voatana, tsy azo ferana
namolivoly ny fanahy
Eritreritra tsy tana
nefa dia handalo ihany
no indramiko hanafana
izay tsy taza-maso any
Tsiky Mitia
Mombamomba
Mpanoratra : Tsiky Mitia
Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 08/08/2016
Mpamangy : 1010
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MASOANDROMARAINA
TSIKY
MATOKIA NY FITIAVAKO
SENTO IRERY
ALINA
ANY IANAO
fitia
Ho anao
VOLA