You are here: home > Vetso

SENTO IRERY - Tsiky Mitia

Azo vakiana?

SENTO IRERY

Any ambadika any ho any
misy fo misento irery
tsy anilan-tiana ka tomany
feno ratra, feno fery

miaina anaty alahelo
miaina anaty ahiahy
ontsa sy mamelovelo
lasa saina sy fanahy

tsy mba mampiseho taraina
fa mamisavisa irery
na dia reraka aza ny aina
miaina anaty mistery

mino fa tsy maintsy hisy
zany anjara fitsikiana
nefa rahoviana indrisy
no mba hisy fitoniana?

Tsiky Mitia

Sokajy : Fitiavana, Hambom-po

Mombamomba

Mpanoratra : Tsiky Mitia


Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 06/08/2016
Mpamangy : 1600
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

MASOANDRO
MARAINA
ERITRERITRA
TSIKY
MATOKIA NY FITIAVAKO
ALINA
ANY IANAO
fitia
Ho anao
VOLA