MARAINA - Tsiky Mitia
Azo vakiana?
MARAINA
Ilay maraina vaovao
izay diavina izao
dia mamoha ny tsiahy
sy ny aingan'ny fanahy
Ventsoventso vao maraina
no hanala ireo taraina
ka venteso ny hiranao
hanome ilay aina vao
Ry marainam-pitsikiana
ka ironan'ny hafaliana
moa mba azonao averina
ireo lasa izay nihelina?
Tsiky Mitia
Mombamomba
Mpanoratra : Tsiky Mitia
Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 09/08/2016
Mpamangy : 1583
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MASOANDROERITRERITRA
TSIKY
MATOKIA NY FITIAVAKO
SENTO IRERY
ALINA
ANY IANAO
fitia
Ho anao
VOLA