fitia - Tsiky Mitia
Azo vakiana?
Fitia
Fitia tsy hay tohaina, fa mamelovelo
mijanona ao anaty, lasa tsiambaratelo
ilay fitiavako voarara tsy mba niseho masoandro
fa nihafiako teny foana, na maraina na atoandro
zary lasa nofinofy tsy afaka ao an-tsaina
tsy mety manadino fa mahatsiaro anao ry aina
misedra zava-maro izay tsy azo ferana
tena ato anaty fa tsy aloka miserana
fitia tsy hay ailika na hoe atao ahoana
nefa dia manjohy, manaraka eny foana
mandra-pahoviana no hiaretako mangina?
tsy haiko ny hamaly fa ianao ho haminavina....
Tsiky Mitia
Mombamomba
Mpanoratra : Tsiky Mitia
Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 05/08/2016
Mpamangy : 1333
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
MASOANDROMARAINA
ERITRERITRA
TSIKY
MATOKIA NY FITIAVAKO
SENTO IRERY
ALINA
ANY IANAO
Ho anao
VOLA